Mana 20 Oktobra 2018

Ny Tompo anefa, na dia niaina izany fangirifiriana izany aza, dia tsy nataony ho zavatra izany, ny hamonjena ny olona rehetra, anisan’izany izaho sy ianao no nameno ny fony.
Nananatra koa aza Izy ny tokony hitomanian’izy ireo ny taranany, fa ho avy ny fandravana.
Rava 40 taona taorian’ity tranga eto ity i Jerosalema.
Manoloana ny faharatsiana miha mahazo laka ankehitriny koa, tena mila mitomany sy mivavaka ho an’ny taranatsika isika.
Miaraka amin’ny fanoloran-tena lalina izany.
Fa ho avy tokoa anie ny fandravana e! Ary hiha-ratsy izao fiainana izao.

Jesoa sy ireo jiolahy
Ny namonjena ny ainy no nahamaika ny anankiray.
Ny iray kosa ny fanahiny.
“Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany ; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany” (Lioka 9.24).
Manamafy ny maha lalana sy fahamarinana ary fiainana an’i Jesoa ny zava-niseho teto.
Avy Aminy ary amin’ny alalany ihany koa no hahazoana famelan-keloka sy Fiainana Mandrakizay.

Vavaka :
Misaotra Jesoa niharitra fangirifiriana,
hahazoako ny lanitra.
Amena

Anio Asabotsy isika dia hivavaka ho an'ny asa fanompoana eo anivon'ny mpivady sy ny fianakaviana.

Isan'andro dia manontania tena hoe misy andinin-tSoratra Masina hafa mety hanampy, na hameno, na hanazava kokoa izay novakiana androany ve ?

Mpiara Mamaky ny Baiboly - Mana Isan'Andro
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao"
Salamo 119.105




Diary

Lettre Mensuelle

 

VERS LE HAUT