Miaritra fahoriana aho ...

MIARITRA FAHORIANA AHO SAINGY TSY MENATRY NY FILAZANTSARA

 Je souffre mais je n’ai pas honte de l’Evangile

«Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra… Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay.»
(2 Timoty 1.8-12)

Fampidirana

Tany amin’ny taona 65 tany ho any no nanoratan’i Apostoly Paoly izao taratasy izao ho an’i Timoty zanany ara-panahy. Migadra any Roma izy izao manoratra izao, izay marihana fa figadrana fanindroany tao Roma, figadrana noho ny fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mangataka an’i Timoty izy mba ho avy haingana hamangy azy any Roma satria fantatr’i Paoly fa izao no fotoana farany, tsy ho efa dia ho avy ny famonoana azy ho faty. Tamin’ny figadrany voalohany dia nanana fahalalahana kokoa izy, afaka nanofa trano manokana nitoerana saingy teo ambany fanaraha-mason’ny miaramila romana. Afaka nandray ireo olona tonga mitsidika azy. Fa tamin’izao figadrany fanindroany izao dia notazonna tamin’ny toerana manokana izy ary tsy nisy afaka nitsidika azy afa-tsy olona voafetra, toa an-dry Onisiforosy (2 Timoty 1.17). Tamin’izao figadrana fanindroany izao dia azo lazaina fa tena narian’ireo namany sy mpiara-miasa maro i Paoly (1,15). Voaheloka ho faty izy ary miandry ny fotoana hamonoana azy (4,6). Araka izany dia hita taratra amin’ny taratasy manontolo nosoratany ho an’i Timoty ny alahelo, ny fahatsapana fa irery. Izany no iangaviany fatratra an’i Timoty zanany ara-panahy mba ho tonga haingana hitsidika azy mialoha ny hahafatesany. Tao anatin’izany zavatra mangidy niainan’i Apostoly Paoly izany indrindra no nanoratany izao teny izao ho an’i Timoty : «Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra… Ary noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako, ary matoky aho fa Izy dia mahatahiry ilay zavatra natolotro Azy mandra-pihavin'izay andro izay.» (2 Timoty 1.8-12)

Fanazavana

Teny miverimberina ao anatin’izao epistily izao ary miverina eto ny teny roa : Fahoriana sy henatra.


Ny henatra dia ny tsy fahasahiana manao zavatra iray noho ny tahotry ny ho afa-baraka na tahotry ny ho tonga tsy misy dikany intsony eo anivon’ny fiaraha-monina, tahotry ny ho very hasina sy ho very voninahitra. Raha menatra ny olona iray dia matahotra ny mason’ny hafa, matahotra ny vavan’ny hafa.
Ireto naman’ny Apostoly Paoly ireto dia tsy sahy nitsidika azy tany am-ponja, nampahery azy, tsy noho ny tahotra fa noho ny henatra. Tsy hoe izay rehetra mitsidika an’i Paoly mantsy dia avy hatrany dia gadraina tahaka azy ihany koa. Tsia. Porofon’izany, ry Onisiforosy sy ny ankohonany dia nitsidika an’i Paoly fa tsy nosamborina na nogadraina. Tsy sahy nitsidika an’i Paoly tany am-ponja ireo namany fahiny ireo noho ny henatra. Matahotra ny ho afa-baraka raha fantatry ny fiaraha-monina fa kristiana tahaka an’i Paoly koa izy ireo, mpanara-dia an’i Jesoa tahaka an’i Paoly koa izy ireo. Toa tsy nahavonjy an’i Paoly ilay Jesoa Kristy izay notoriany fa mahery. Toa tsy nahavita na inona na inona niaro azy tamin’ny fanagadran’ny romana ilay Jesoa Kristy izay notoriany. Hoy ny fiaraha-monina romana tamin’izany hoe : raha mahery i Jesoa Kristy tompoin’i Paoly sy toriany, nahoana no tsy mahavita manafaka azy tao am-ponja ? Nahoana no tsy mahavita manafaka azy eo anoloan’ny fahafatesana izay miandry azy tsy ho ela ? Amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao dia tena afa-baraka i Paoly, tsy araka izay toriany no mitranga eo amin’ny fiainany. Tsy te ho afa-baraka miaraka amin’i Paoly ireto namany mpiara-manompo fahiny ireto dia tsy sahy nitsidika azy. Menatra ny maha kristiana azy.
Nitodika manokana tamin’i Timoty, zanany ara-panahy, i Paoly : «Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra…». Te hiteny amin’i Timoty i Paoly hoe : miaritra fahoriana noho ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy aho ankehitriny. Menatra ireo mpiara-manompo amintsika maro ka tsy sahy mamangy na mitsidika ahy. Menatr’olona fa migadra ilay mpitarika, ilay mpitory an’i Jesoa mahery, nefa ny tenany aza tsy hain’Ilay Jesoa ny nananafaka azy. Dia namela ahy ho irery ireo fa menatra ny Filazantsarn’i Jesoa Kristy. Fa ianao kosa ry Timoty zanako ara-panahy, aza menatra hankaty amiko, hamangy ahy. Aza menatra hoe nigadra ilay mpitory taminay, na migadra ilay mpitarika anay. Raha migadra aho ankehitriny ka tojo fahoriana ary ho vonoina rehefa afaka kelikely. Raha ory ianao ankehitriny satria migadra ilay mpitarika anao sy ilay nitory taminao. Tsarovy fa miombona fahoriana amin’i Jesoa Kristy isika. Mbola mafy lavitra noho izao mitranga amiko izao aza no nitranga tamin’i Jesoa Kristy. Tsy nisy fahoriana mafy izay tsy nitranga tamin’i Jesoa. Ary ny fahafatesan izay hihantra amiko aza atsy ho atsy dia tsy mafy no izay nampiharina tamin’Ilay Tompontsika dia ny famonoana Azy teo ambony hazo fijaliana tahaka ny famono jiolahy raindahiny. Namporisika an’i Tomoty i Paoly hoe : Aoka isika ho mpiombona amin’ny fahoriana noho ny Fialazantsara.


Izany hoe : Izay mitory ny Filazantsara dia tsy maintsy miaritra fahoriana. "Normal" be raha mandalo izaho fahoriana noho ny figadrana izao aho satria fiombonako fahoriana amin’i Jesoa Kristy izany. "Normal" be raha ory ianao mahita ny mpitarika anao migadra noho ny Filazantsara satria fiombonanao fahoriana amin’i Jesoa Kristy izay nandalo fahoriana mafy izany. Aza mienatra tahaka ireo sasany ireo fa tongava mitsidika farany ahy aty am-pigadrana ho marik’izany fiombonana fahoriana izany. «Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra…».

Fampiharana

Ry havana malala ao amin’ny Tompo, io henatra io dia fitaovan lehibe ampiasain’ny devoly mba hahatonga atsika tsy ho vavolombelon’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy. Hoy isika teo aloha : Ny henatra dia ny tsy fahasahiana manao zavatra iray noho ny tahotry ny ho afa-baraka na tahotry ny ho tonga tsy misy dikany intsony eo anivon’ny fiaraha-monina, tahotry ny ho very hasina sy ho very voninahitra. Raha menatra ny olona iray dia matahotra ny mason’ny hafa, matahotra ny vavan’ny hafa. Maro ny kristiana no menatry ny fahoriany sy ny menatry ny fahorian’ny mpiara-manompo azy. Raha tsorina dia matahotry ny ho afa-baraka noho ny fahoriana manjo azy ny kristiana maro. Maro ny kristiana marary, tokony hoentina am-bavaka araka ny Tenin’Andriamnitra manao hoe : «Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.» (Jakoba 5.16) Raha ny sitrapon’Andriamanitra izany, raha misy kristiana iray marary, dia tokony ho fantatry ny rehetra, ary ny rahalahy sy anabavy rehetra dia tokony hiara-mivavak ho an’iny olona iny. Fa misy kristiana manafina dia manafina ny aretiny satria mety mahamenatra ilay aretiny ka sao dia afa-baraka raha fantatry ny rehetra ny aretiny. Matahotra ny ho very hasina raha toa ka fantatry ny olona ilay aretina. Mba vehivavy na lehilahy tahaka an’iny ve dia manana izany aretina izany, sns. Noho ny henatra, noho ny tahotry ny ho afa-baraka dia aleo very ilay fiombonana maha kristiana, ilay fiombonana ny maha samy zanak’Andriamanitra miara-mizaka izay mavesatra. Ry havako ô, amin’ny fahoriana sy ny aretina tahaka izany indrindra no tokony hanehoantsika zanak’Andriamanitra fiombonana. Ao antokantrano ao, dia tsy menatra amin’ny ankohonanao ianao, mifampitondra izay mavesatra. Fa nahoana ianao no menatry ny rahalahy sy anabavinao ao amin’ny Tompo. Mbola raisinao ho iray tampo aminao ao amin’ny Tompo ve ireto ? Aoka isika, ry havako ho mpiombana amin’ny fahoriana, tsy amin’ny fahafatesana ihany fa amin’ny aretina sy amin’ny olana isan-karazany koa. Aza menatra : «Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra…»


Maro ny kristiana no menatry ny Mpitandriny, tahaka ireo mpanara-dia an’i Paoly menatra an’i Paoly fa lasa gadra lava. Maro ny tranga tahaka izao miseho any Madagasikara. Mitady ny hirika rehetra araka izay azo atao ny kristiana sasany ny hanesorana ilay Pasteur. Inona ny antony ? Mahamenatr’olona ilay Pasteur fa miteraka foana ny ataon’izy mivady raharaha, 7 izao ny zanany. Ny an’ny Pasteur-n’ny Fiangonana maro mba 1 na 2 na 3, fa ny antsika dia 7. Tsy maharaka an’izany ny volam-piangonana. Sady jereo izy mianakavy tsy mahava-tena intsony, manala-baraka ny Fiangonana. Dia tadiavina ny hevitra hanesorana azy fa hitady Pasteur mana-janaka 2 na 3 fara-fahabetsany sady Pasteur mahava-tena, izy ny ankohonany, mba tsy hanala baraka ny Fiangonana. Ilay Pasteur iray izay indray dia marary lava izy. Marary foana. Ny any Madagasikara moa dia ny Fiangonana no miantoka ny fitsaboana ny Mpitandrina manontolo. Dia mitady hevitra indray ny kristiana sasany ny hanesorany ilay Pasteur fa Pasteur marary lava. Tsy vitan’ny hoe mandany ny volam-piangonana fa manala-baraka ny Fiangonana. Efa hataon’ny Fiangonana manodidina resaka hoe ahoan iny Pasteur nareo marary lava iny. Toy izany koa angamba no nahazo an’i Paoly fahizay hoe : ahoana iny mpitarika anareo gadra lava iny e. Dia ao ireo tsy mandray ny toritenin’ilay Pasteur satria hoe ianao aza mitory nefa ity ianao mahantra velona. Ianao aza mitory nefa ity ianao he farofy lava. Ary tahaka izany mihitsy ny nahazo an’i Paoly : He ity ianao mitory an’i Jesoa mahery nefa jereo ianao gadra lava. Tsy vitsy ireo kritiana tsy mivavaka intsony satria menatra an’ilay Pasteur mahantra, maro anaka, marary lava. Ry havako, tsy amin’i Timoty ihany no iantefan’izao hafatr’i Paoly, izay hafatry ny Tompo ho antsika izao fa ho antsika eto Nice ihany koa : «Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra…» Io ny Mpitandrina nirahin’ny Tompo ho anao, ny Mpitandrina RANDRIAMANANTSOA Zozo. Mety tsy eo anivon’ny ankohonany toa anao izy, mety tsy manan-karena tahaka ireo Mpitandrina hafa, mety farofy lava tsy tahaka ireo Mpitandrina hafa, mety tsy «coul» tahaka ireo mpitandrina hafa, mety tsy manam-pahaizana tahaka ireo Mpitandrina hafa. Fa izao : izany rehetra izany dia anjara fahoriana, anjara hazo fijaliana iombonako amin-dry Apostoly Paoly. Izany Apostoly Paoly izany koa anie, tsy vitan’ny hoe gadra lava, fa nanana aretina tsy nety sitrana nikiky azy mandra-pahafaniny e. Ny tsy fananako ankohonana miara-monina amiko, ny tsy fananako vola aman-karena, ny tsy fananako fahasalamaana ampy dia fiombonako fahoriana amin’i Jesoa Kristy. Ary famerimberiko matetika izao : Ampahafirin’izay nihantra tamin’i Kristy moa no mihantra amiko sy mihantra aminao. Tsy misy dikany. Koa aza menatra amin’ny fananana io Mpitandrina nirahin’ny Tompo ho anareo io, na inona na inona fahoriany.


Aza manao tahaka ireo mpanara-dia an’i Paoly maro, menatry ny figadran’i Paoly dia nandao azy, tsy sahy nitsidika azy. Fa manaova tahaka an’i Timoty, tsy menatry ny figadran’i Paoly, dia tonga nitsidika an’i Paoly tany am-pigadrana. Marika fa tsy menatry ny Filazantsaran’i Jesoa nampitain’i Paoly i Timoty. Na dia mitory ny herin’Andriamanitra sy ny fitiavan’Andriamanitra aza ny Mpitandrinao kanefa izao no manjo azy, dia aza menatra an’izany. Raiso ny Tenin’Andriamnitra toriany fa avy amin’Andriamanitra. Gadra lava sy farofy lava i Paoly, nahoan anefa ny olona maro maneran-tany no mandray foana ny epistily nambarany ? Na dia maty tamin’ny fomba mahatsiraivna teo ambony hazo fijaliana aza i Jesoa, nahoana isika ankehitriny no mbola mihaino ny Fialzantsarany. Ny dikan’izany dia izao : tsy ny fahoriana lalovan’ireny Mpitory ny Filazantsaran’i Jesoa ireny no tsy handraisantsika azy sy ny hafatra ampitainy. Koa tahaka ny Apostoly Paoly sy tahaka an’i Timoty dia tsy menatra ny fahoriana izay mitranga amiko ankehitriny aho satria fiombonana amin’ny fahoriana amin’i Jesoa izany. Ary mba ho toy izany koa ianao.
Amin’ity taona ity, ny thème tsika dia ny hoe : «Ny fianan’i Kristy no fiainako». Fantantsika tsara ny fiainan’i Kristy. Ny ampahany betsaka tamin’ny fiainany dia fahoriana : fiaretana fanenjehana, fitenan-dratsy, ompa, fanoherana, fisamborana, famonoana ho faty. Koa izay misafidy ny ho mpanara-dia an’i Jesoa dia tsy maintsy mandalo izany fahoriana izany koa : TSY MAINTSY. Ny endriky ny fahoriana lalovan’ny tsirairay no tsy mitovy. Ny an’ny Apostoly Paoly dia ny fanenjehana, ny aretina sy ny figadrana ary ny famonoana no anjara fahoriany. Ny anao mety endrika fahoriana hafa noho izany : irery ianao (solitude), mety maditra ny zanakao, tsy mety mivavaka, manao karazana hadalana, mety ho aretina ho an’ny sasany, mety vady maditra ho an’ny hafa, mety olana ara-bola ho an’ny sasany ; olana ara-taratasy ho an’ny hafa, mety olana ara-kasa ho an’ny sasany, mety ho olana ara-pianarana ho an’ny hafa, sns. Anjara fahoriana tsy maintsy sedraina izany. Misedra izany fahoriana izany ianao satria efa nisedra izany i Jesoa. Ny fiainan’i Kristy no fiainanao. Jesoa Kristy, ry havako, dia tsy menatra tamin’ny fahoriana nentiny na dia Zanak’Andriamanitra aza. I Paoly dia tsy menantra tamin’ny fahoriana nentiny na dia olom-boafidin’Andriamanitra aza. Ianao koa taomin’ny Tenin’Andriamanitra anio, tsy ho menatra amin’io fahoriana manjo anao io. Aza menatra amin’io aretina manjo anao io. Zarao amin’ny hafa izany mba hahafahana mifampitrotro am-bavaka. Aza menatra amin’io olana ara-tokantrano, olana ara-panambadiana, olana ara-kasa mahazo anao io. Zarao amin’ny hafa izany mba ahafahana mifampitrotro am-bavaka. Misy ny vondrom-bavaka izay sehatra nomen’ny Tompo antsika mba ahafahantsika zanany mifampitondra am-bavaka amin’ireny fahoriana isan-karazany mahazo antsika ireny.


Ary rehefa nentina am-bavaka ireny fahoriana isan-karazany ireny ka nahazo valim-bavaka ianao dia aza menatra ny mijoro vavolombelon’ny Tompontsika manambara izany valim-bavaka izany amin’ny hafa mba ho fantatry ny hafa fa : «Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay». «Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra…»

Antso

Manomboka izao, ny kristiana eto amin’ny Tafo Nice, dia tsy ho menatra, tsy hatahotry ny ho afa-baraka amin’ny fahoriana manjo anao ianao, tahaka ny Apostoly Paoly fa hizara izany amin’ny hafa, indrindra any amin’ny vondrom-bavaka, mba hahafahana mifampitrotro am-bavaka mba hivaha ny olana satria ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra.
Mba tsy ho tonga eto amin’ny Tafo Nice izany hoe menatra sy mahatsiaro ho afa-baraka noho izay mitranga amin’ny Mpitandriny. Tsy hanao tahaka ireo mpanara-dia an’i Paoly maro anie isika eto Nice ka nandao an’i Paoly satria menatry ny maha mpigadra azy. Tsy handao ny Mpitandrina, indrindra tsy handao ny Fiangonana satria menatry ny maha farofy lava sy maha mahantra ilay Mpitandrina.
Mba ho resy lahatra anie isika tsirairay avy eto amin’ny Tafo Nice, fa ny fiainan’i Kristy no fiainantsika. Izay nandalovan’i Kristy dia mety handalovantsika na tsy mivantana azy. Nandalo fahoriana ny Tompontsika, noho izany dia tsy maintsy mandalo fahoriana koa isika. Ka tsy ho gaga isika raha mandalo fahoriana satria "normal" izany ho an’ny mpanara-dia ny Tompo rehetra tsy misy ankanavaka. Izany ilay hoe : Ny fianan’i Kristy no fiainako.
Hoy ny hafatra : «Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra…» (2 Timoty 1.8). Amena !

SOLI DEO GLORIA

Ny Mpitandrina, RANDRIAMANANTSOA Zozo



CONTACTS

nice-tafo@fpma.church

Pasteur - Toky RAKOTO ANDRIANAVONY
06 51 24 34 24
Président - Andry RATEFINJATOVO
06 51 48 15 60

Diary

Lun Mar Mer Jeu Ven Sam Dim
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31

Bokin'i EKSODOSY

Tafo Nice

HAFATRY ny Bokin'i Jaona

MESSAGES du livre de Jean

Livre de L'EXODE

 

VERS LE HAUT