Ny henatra dia ny tsy fahasahiana manao zavatra iray noho ny tahotry ny ho afa-baraka na tahotry ny ho tonga tsy misy dikany intsony eo anivon’ny fiaraha-monina, tahotry ny ho very hasina sy ho very voninahitra. Raha menatra ny olona iray dia matahotra ny mason’ny hafa, matahotra ny vavan’ny hafa.
Ireto naman’ny Apostoly Paoly ireto dia tsy sahy nitsidika azy tany am-ponja, nampahery azy, tsy noho ny tahotra fa noho ny henatra. Tsy hoe izay rehetra mitsidika an’i Paoly mantsy dia avy hatrany dia gadraina tahaka azy ihany koa. Tsia. Porofon’izany, ry Onisiforosy sy ny ankohonany dia nitsidika an’i Paoly fa tsy nosamborina na nogadraina. Tsy sahy nitsidika an’i Paoly tany am-ponja ireo namany fahiny ireo noho ny henatra. Matahotra ny ho afa-baraka raha fantatry ny fiaraha-monina fa kristiana tahaka an’i Paoly koa izy ireo, mpanara-dia an’i Jesoa tahaka an’i Paoly koa izy ireo. Toa tsy nahavonjy an’i Paoly ilay Jesoa Kristy izay notoriany fa mahery. Toa tsy nahavita na inona na inona niaro azy tamin’ny fanagadran’ny romana ilay Jesoa Kristy izay notoriany. Hoy ny fiaraha-monina romana tamin’izany hoe : raha mahery i Jesoa Kristy tompoin’i Paoly sy toriany, nahoana no tsy mahavita manafaka azy tao am-ponja ? Nahoana no tsy mahavita manafaka azy eo anoloan’ny fahafatesana izay miandry azy tsy ho ela ? Amin’ny fomba fijerin’izao tontolo izao dia tena afa-baraka i Paoly, tsy araka izay toriany no mitranga eo amin’ny fiainany. Tsy te ho afa-baraka miaraka amin’i Paoly ireto namany mpiara-manompo fahiny ireto dia tsy sahy nitsidika azy. Menatra ny maha kristiana azy.
Nitodika manokana tamin’i Timoty, zanany ara-panahy, i Paoly : «Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika, na ahy mpifatony ianao ; fa aoka ianao ho mpiombona ny fahoriana noho ny filazantsara araka ny herin'Andriamanitra…». Te hiteny amin’i Timoty i Paoly hoe : miaritra fahoriana noho ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy aho ankehitriny. Menatra ireo mpiara-manompo amintsika maro ka tsy sahy mamangy na mitsidika ahy. Menatr’olona fa migadra ilay mpitarika, ilay mpitory an’i Jesoa mahery, nefa ny tenany aza tsy hain’Ilay Jesoa ny nananafaka azy. Dia namela ahy ho irery ireo fa menatra ny Filazantsarn’i Jesoa Kristy. Fa ianao kosa ry Timoty zanako ara-panahy, aza menatra hankaty amiko, hamangy ahy. Aza menatra hoe nigadra ilay mpitory taminay, na migadra ilay mpitarika anay. Raha migadra aho ankehitriny ka tojo fahoriana ary ho vonoina rehefa afaka kelikely. Raha ory ianao ankehitriny satria migadra ilay mpitarika anao sy ilay nitory taminao. Tsarovy fa miombona fahoriana amin’i Jesoa Kristy isika. Mbola mafy lavitra noho izao mitranga amiko izao aza no nitranga tamin’i Jesoa Kristy. Tsy nisy fahoriana mafy izay tsy nitranga tamin’i Jesoa. Ary ny fahafatesan izay hihantra amiko aza atsy ho atsy dia tsy mafy no izay nampiharina tamin’Ilay Tompontsika dia ny famonoana Azy teo ambony hazo fijaliana tahaka ny famono jiolahy raindahiny. Namporisika an’i Tomoty i Paoly hoe : Aoka isika ho mpiombona amin’ny fahoriana noho ny Fialazantsara.